<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Aiza moa ianao ? FF43</title>
<lyrics>[V1]
 Jesosy Tompo miantso anao
 Manontany izao :
 « Aiza moa ianao? »
 Ny ondrikeliko noana indreo
 Miandry anao re ireo
 « Aiza moa ianao ? »

[C1]
   'Ty aho, Jeso, (ekeo mba) ho irakao
   Raiso hanao ny sitrakao tokoa
   Jesosy ô ! (omeko) mba ho Anao
   Ny foko, tenako sy fanahiko

[V2]
 E! làlan-tsarotra ilàna anao
 Ady mafy no ao :
 « Aiza moa ianao ? »
 Reseonao'zao tontolo izao
 Mba ho Ahy re izao
 « Aiza moa ianao ? »
 'Ty aho, Jeso, sns...

[V3]
 Ny hery, aina sy fanananao
 No ilaiko izao :
 « Aiza moa ianao »
 Ny tenanao sy ny fanahinao
 No takiako izao
 « Aiza moa ianao » ?
 'Ty aho, Jeso, sns...

[V4]
 Ny sandriko no hiaro anao
 Hisakambina anao
 « Aiza moa ianao ? »
 Raha ny Fanahy no hitantana anao
 Vonona ve ianao ?
 « Aiza moa ianao ? »
 'Ty aho, Jeso, sns...</lyrics>
<hymn_number>43</hymn_number>
</song>